Teny iditra |
orina
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Fanatsatohana; fananganana trano, vohitra, taozavatra samihafa; fametahana zavatra ho mafy; fiandoham-pikarakarana amin' izay atao [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | [1.2]
|
Fanazavàna teny frantsay | Action de planter, de fixer dans la terre, de bâtir,
de construire, de se fixer en un endroit [1.3]
|
Sampanteny |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|
Teny iditra |
orina
(otra)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny iharana
|
Fanazavàna teny malagasy | Enti-milaza faritra iray amin' ny tena, na ny tena manontolo mihitsy, izay safoina sady tsindriana amin' ny tanana ampandehandehanina mba hampahalefadefaka ny hozatra [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To be massaged, to be rubbed [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Qu'on frictionne, qu'on masse, qu'on fait passer et repasser entre les mains [1.3]
|
| Qu'on masse, qu'on frictionne [1.8]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
orina,
oriko,
orinao,
oriny,
orintsika,
orinay,
orinareo,
orin',
orin-,
orim-,
ori- |
Ny lasa : |
norina,
noriko,
norinao,
noriny,
norintsika,
norinay,
norinareo,
norin',
norin-,
norim-,
nori- |
Ny hoavy : |
horina,
horiko,
horinao,
horiny,
horintsika,
horinay,
horinareo,
horin',
horin-,
horim-,
hori- |
Filaza mandidy : |
ory |
|
|
Teny iditra |
orina
(ory)
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Atao izay hampahantra azy; botrina [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Qu'on appauvrit, qu'on rend malheureux [1.3]
|
|