Teny iditra mitsimbadika (tsimbadika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mihodina dia mikodia: Notsofin' ny rivotra ka nitsimbadika ilay vatan-kazo. / Nitsimbadika teo am-pandriana ilay zaza
Mihohoka, mivadika ambony ambany: Nitsimbadika ny siny
Mivadibadika, miova tanteraka: Nitsimbadika ny toe-javatra ka ny mpitondra omaly nanjary nenjehina ny ampitso [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitsimbadika
Ny lasa : nitsimbadika
Ny hoavy : hitsimbadika
Filaza mandidy : mitsimbadiha
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05