Teny iditra |
mitsahatra
(tsahatra)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Mijanona, miato: Handeha amin' izay izahay fa efa mitsahatra ny orana Tsy manao... intsony: Raha vao nitsaha-niteny izy dia nirefodrefotra ny tehaka Miala sasatra, maka aina: Sasatraizy ka nitsahatra teo ambody hazo. [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Cesser, s’arrêter, se reposer Figuré: se retirer sans rien obtenir [1.3]
|
Ohatra |
1 | Baikoina hijanona izy dia mitsahatra.
[2.117]
|
2 | Voangory voapaika, ka mitsaha-misamonona.
[2.558]
|
3 | hoy indray ity zazalahy tsy mitsahatra mitazana any ivelany.
[2.470]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
mitsahatra,
mitsaha- |
Ny lasa : |
nitsahatra,
nitsaha- |
Ny hoavy : |
hitsahatra,
hitsaha- |
Filaza mandidy : |
mitsahara |
|
Kamban-teny |
|
Ohabolana |
|