Teny iditra mitaraina (taraina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mimenomenona: Mitaraina amin' ny zavatra tsinontsinona io zaza io
Mitoloko amana mitoreo: Mitaraina lava noho ny fahantrany Rabe
Malahelo ka mitory: Mitaraina ny vadinao fa tsy mitondra vola mody, hono, ianao
Mitovy hevitra: be taraina ~ mibabababa ~ mikoinkoina ~ mikonaina ~ mimenomenona ~ mitoretra ~ mitsikoinkoina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To complain; to call out asking for help [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Se plaindre, demander avec instance, rendre un son plaintif: Nitaraina tamin’ ny lehibe noho ny fananany alain' ny olona izy (Il a porté plainte auprès du juge, parce qu’on lui prend ce qui lui appartient) [1.3]
 Se plaindre; crier au secours [1.8]
Ohatra 
1Tsy misy mitaraina amin' izany izy efa-mianaka [2.472]
2Kanefa raha homana ny tsy atolotra azy ireo, avia mitaraina amiko. [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitaraina
Ny lasa : nitaraina
Ny hoavy : hitaraina

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20