Teny iditra mitahiry (tahiry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manokana amin' ny toerana iray mba tsy ho lany na ho very na ho simba: Mitahiry vola hampianarany ny zanany rahatrizay izy
Mitana: Tsy nitahiry afa-tsy izay boky ilainy izy fa namidiny daholo ny sisa rehetra
Mitana amim-pitandremana, mampaharitra amin' ny toetra tsara: Nitahiry ny hadiovam-pony izy mandra-pahafatiny
Mampaharitra: Mitahiry izao tontolo izao Andriamanitra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To keep, to take care of, to guard [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Conserver, garder [1.8]
Ohatra 
1Ny tatavia dia kitapo mitahiry ny amany. [2.424]
2Avoahy haingana re, Andriamatoa, raha misy fa mitahiry loza! [2.643]
3Mitahiry tsiambaratelo mavesatra ny toerana maro any an' ala. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitahiry
Ny lasa : nitahiry
Ny hoavy : hitahiry
Filaza mandidy : mitahiriza
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/06