Teny iditra misaritaka (saritaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikorontana, tsy milamina: Aza fady fa misaritaka be ihany ity ny tranoko
Mifaningotsingotra tsy hita lany: Misaritaka ity tady ka aoka hotapahina fa manala
Misafotofoto tsy mihogo na mirandrana (volo): Misaritaka ny volonao fa hogoy kely [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be in disorder [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être pêle-mêle [1.8]
  [Tanala] être en désordre; être ébouriffés (cheveux) [1.6]
Ohatra 
1Misaritaka ny olona eo mikarakara sakafo ho an-dRagova. [2.472]
2Ny takolany no menabe ary ny volony misaritaka aza dia mbola nanome endrika azy Ihany. [2.895]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : misaritaka
Ny lasa : nisaritaka
Ny hoavy : hisaritaka
Filaza mandidy : misaritaha
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20