Teny iditra miontana (ontana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mihendratra, mientana, taitra tampoka (ny fo): Niontana iray ihany ny fony noho ny tahotra. Mason-tanora mirangany anay / ka mifenifeny ny hahazo / Fon-jatovo miontana / ka miharana ny mba hotanana. (Rajaonah Tselatra) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To startle, to start up. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Tressaillir, être ému subitement: Miontana iray hiany ny foko (J'en suis tout ému) [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miontana
Ny lasa : niontana
Ny hoavy : hiontana

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20