Teny iditra mieritreritra (eritreritra (eritra))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mihevitra: Nieritreritra anao indrindra aho no niditra ianao
Mandinika zavatra ela mba hanadihadiana azy: Mieritreritra momba ny ho aviny tzy
Trafon-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritra: enti-milaza ny teny na anatra omena olona mahay misaina ka henoiny ary dia tsakotsakoiny aoka izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To meditate, to weigh and ponder [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Méditer, réfléchir; songer [1.8]
Ohatra 
1mba nahay nisento lalina sy nieritreritra lavitra toa izany koa teo amin' ny voaloham-pitiavany ... [2.470]
2Rahefa nieritreritra aho, dia hitako fa tokony ho marina izany. [2.471]
3Nieritreritra lalina momba iny fifampikasohanay tamin' I Bemanana raha iny aho taty aoriana. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mieritreritra
Ny lasa : nieritreritra
Ny hoavy : hieritreritra
Filaza mandidy : mieritrereta
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20