Teny iditra miboredika (boredika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miteny an-kisesy ka tsy azo izay lazaina: Tsy mety fa miboredika foana io zaza io rehefa adinina fianarana
Miteny amin' ny fiteny vahiny: Niboredika tamin' ny teny anglisy ry zalahy ka tsy azoko [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miboredika
Ny lasa : niboredika
Ny hoavy : hiboredika
Filaza mandidy : miboredeha

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20