Teny iditra manolotra (tolotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manakaiky tsy misy elanelany: Manolotra ny sahanay ny sahany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To run along the border of water or the coast, to be contiguous. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manolotra
Ny lasa : nanolotra
Ny hoavy : hanolotra
Filaza mandidy : manolora
Kamban-teny 

Teny iditra manolotra (tolotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandroso zavatra mba horaisin' ny hafa: Manolotra tanana ~ Manolotra fehezam-boninkazo
Manome: Efa nanolotra anao vola ariary zato vidin' ny bokinao aho ka ahoana
Manome amim-pahafoizana tanteraka, ary enti-milaza zavatra tsy azo tsapaintanana indrindra: Nanolotra ny fitiavany izy [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/26