Teny iditra manohy (hohy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mihady amin' ny hoho na amin-java-maranitra; manokatra [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Creuser avec les griffes ou avec un instrument, déterrer [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manohy
Ny lasa : nanohy
Ny hoavy : hanohy
Filaza mandidy : manohaza

Teny iditra manohy (tohy)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manampy, manalava: Tsy fanao, hoy ny Ntaolo, ny manohy rofia ny foly mena
Tsy manapaka na mampijanona ny efa natomboka: Mbola hanohy ny diany hatrany Salazamay izy ~ Lasa nanohy ny fianarany any Toulouse izy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Ajouter, unir, continuer [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manohy
Ny lasa : nanohy
Ny hoavy : hanohy
Filaza mandidy : manohiza

Teny iditra mañohy
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Mihehy [1.78]
Tovy hevitra mañoehy

Teny iditra manohy
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] Maka tantely ao amin'ny tohotra [1.78]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manohy
Ny lasa : nanohy
Ny hoavy : hanohy
Filaza mandidy : manohiza

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20