Teny iditra |
manitikitika
(kitikitika (kitika))
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Mikasikasika (olona) amin' ny faritra mahatonga azy hihomehy, manibokibo: Tsy tiako ny mandeha amin' ny ahitra fa manitikitika ny faladiako Mangataka amim-pahanginana: Nanitikitika ahy izy mba hahazoany iny akanjo iny ka nomeko Tsy mampandry (saina), mahatonga ho velona ahiahy: Misy fanontaniana manitikitika ny saiko [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To tickle, to touch with the fingertips [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Chatouiller, toucher avec le bout des doigts [1.8]
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
manitikitika |
Ny lasa : |
nanitikitika |
Ny hoavy : |
hanitikitika |
Filaza mandidy : |
manitikitiha |
|
|