Teny iditra mangorovitsika (horovitsika)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ireo vongan-drano na vongan-drivotra madinika mitangorongorona eo amin' ny fanambonin' ny rano efa manomboka hafana
Enti-milaza ny rano efa manomboka hafana ka misy ireo vongan-drano na vongan-drivotra mitangorona ireo: Efa mangotraka ve ny ravimboafotsy, anaka? -- Vao mangorovitsika, ry Dada [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To feel itchy; to be uneasy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Avoir des fourmis; être inquiet [1.8]
Ohatra 
1Efa mangorovitsika, ary ny sasany indreny manadiva ny lalana niverina fa tsy te hijery. [2.895]
2Eny àry, hoy aho, mody nanabe tratra, nefa amin' izany mangorovitsika daholo hatrany an-tampon-dohako ka hatrany am-paladiako. [2.4]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mangorovitsika
Ny lasa : nangorovitsika
Ny hoavy : hangorovitsika
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20