Teny iditra mandahatra (lahatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mametraka zavatra mahitsy tomandavana: Sahirana ery Ilita kely nandahatra ny bokin-drainy teo ambony latabatra
Mandamina: Raha efa izany, dia nandahatra ny raharaha hataony ny ampitso izy
Manao kabary; miresaka manao fihetseham-be amin' ny tanana: Mahay mandahatra ilay mpitandrina nitory teny anikeheo ~ Nandahatra teo ny anao nefa tsy nisy nihaino akory [1.1]
 Mamorona lahatsoratra [1.13]
Fanazavàna teny anglisy To arrange; to set type; to make a speech [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Bien arranger; composer (imprimerie); donner un discours [1.8]
 Ranger, ordonner; rédiger [1.13]
Ohatra 
1Koa anio isika dia mandahatra, mitondra ny teny; [2.245]
2Mampitaha teny Fomban-dRamalagasy koa, raha mandahatra, ny mampitaha teny mitovitovy. [2.298]
3Ny ambiasa no mandahatra ny fanapahana ny zaza, ohatra ny zazafotsy na ny kelikely atao aloha. [2.606]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandahatra
Ny lasa : nandahatra
Ny hoavy : handahatra
Filaza mandidy : mandahara
Kamban-teny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11