|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  manaika (aika)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  Manery, manao izay hampikitroka: Iza no nanaika ireto tofo tanimanga ireto
4  Miantso (olona maro) ho vory: Ny mahaloza azy dia aisy basivava nanaika fokonolona (Emilson D. Andriamalala)
5  Miantso, maka: Raha bainga no hanehana mpamadika, dia izahay no fiantso (Kabary am-panambadiana) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  to collect others, to cause to assemble, to cause to come together in close proximity. [1.2]
Ohatra  7  manaika ireo namany hitaom-pary an-tsarety Rainitoandro ka manampinampy azy amin' izany I Katy sy I Lidy zanany [2.470#]
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
11  Filaza mandidy :

Teny iditra (2/2)12  manaika (haika)
Sokajin-teny  13  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
14  mihantsy [Bezanozano] [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  15  same as miHAIka#mg.av.2 [Provincial] [1.2]

Fivaditsoratra  16  kiamana, makiana, manaika, maniaka, miakana, mianaka, Namakia, namakia-

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20