Teny iditra manafina (afina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mametraka zavatra amin' ny toerana tsy hahitana azy; manitrika: Manafina vola
Mampiery: Miray tetika amin' ny olon-dratsy izay manafina azy
Tsy mampiseho ety ivelany: Mahay manafina ny alahelony io vehivavy io
Manarona, manakona: Tsy tsara ny manafina ny marina. / Nisy rahona nanafina ny volana indrindra tamin' izay
Mandevina (mpanjaka): Tamin' ny alina no nanafenana ny masina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To hide anything, to conceal anything; to bury a deceased sovereign. [1.2]
 To conceal [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Cacher [1.3, 1.8, 1.5]
 Receler [1.3]
 Garder le secret
Fig. ensevelir les souverains [tohiny 1.3, 1.5]
Ohatra 
1Hianareo manafina amiko! [2.324]
2Niondrika aho, nanafina ny ranomasoko. [2.472]
3Ny manafina ny hareny ny maty momba, sy ny hareny ny maty mamosavy; [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manafina, manafin-
Ny lasa : nanafina, nanafin-
Ny hoavy : hanafina, hanafin-
Filaza mandidy : manafena
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/31