Teny iditra |
manafatra
(hafatra)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao
|
Fanazavàna teny malagasy | Manome zavatra hampanaovina olona: Nanafatra ahy Rabe mba hitondra itỳ taratasy itỳ aty aminao Mampaka, manao izay hahatongavana, mividy any lavitra: Nanafatra boky, nanafatra mpampianatra any Antananarivo izahay Mamporisika, manoro hevitra: Nanafatra ny mponina ny filohan' ny Nosy mba hiasa daholo [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | To bequeath, to specify; to order, to send for. [1.2]
|
| To entrust with a commission; to warn; to order merchandise [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Donner commission, charger [1.3, 1.8]
|
| Mander, recommander, commander [1.3]
|
| Passer une commande [1.8]
|
Ohatra |
1 | Aza manafatra ny mby an-dalana!
[1.437]
|
2 | Raharaha haingam-bola ny mamarina entana any Andafy sy ny manafatra ny avy any.
[2.643]
|
|
Haiendriteny |
Ny ankehitriny : |
manafatra |
Ny lasa : |
nanafatra |
Ny hoavy : |
hanafatra |
Filaza mandidy : |
manafara |
|
Ohabolana |
|