Teny iditra mamory (vory)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy ( mamorivory no fampiasa indrindra) Mandroatra, misafoaka [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamory
Ny lasa : namory
Ny hoavy : hamory
Tovy hevitra mamorivory
Kamban-teny 

Teny iditra mamory (vory)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miantso ho tonga miaraka, amin' ny toerana iray: Namory ny mahantra teo amin' ny fokontany izahay mba hizarana fitafiana
Manaika, manainga: Namory ny Parlemanta ny Filoham-pirenena
Manangona: Namory sary betsaka aho fony izaho tany Afrika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To gather, to collect [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Réunir, rassembler [1.8]
Ohatra 
1Ka ianao ihany no mamory. [2.588]
2ka samia mamory havana isika roa lahy, fa fara-doboka izao. [2.69]
3Dia mamory indray isika, ka samy hanonona izay zakany. [2.59]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mamory
Ny lasa : namory
Ny hoavy : hamory
Filaza mandidy : mamoria

Teny iditra mamory
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Tanala] Mamarana amin-java-maranitra ho dombo [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/09/06