Teny iditra Kintana mamony
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Indro indray ianao, ry lanitra,
ngalingaly ery fa tony.
Satrinay hanentona hanitra
'reto kintana mamony!

Fa baliaka dia baliaka,
mipendrampendrana aok'izany,
toa manantsika , sariaka,
saingy lavitra ny tany.

Ireo e ny voninkazo
nofinay ka ho azo,
fa dia eny no andrandraina !

tsy hanintsana doria!
Moa ny masonay tia,
raha hahirina hangaina ?
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02