Teny iditra | Imerimanjaka | |
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (haitoetany) | |
Fanazavàna teny malagasy | Vohitra kely eo andafy andrefan' i Alasora, mifanao Alahamady sy Adimizana izy roa, elanelanim-tanimbary ary atsimon-Antananarivo. Ny bokin-dRainianjanoro sy ny gazety "Fanazavana" Juin 1930, ary ny Tantaran-ny Andrianan-i mompera Callet (takelaka 252-253) dia samy milaza azy ho isan-ny Tendrombohitra 12; fa ilay jeografy kely tranainy tamin-ny Tany gasy kosa tsy nilaza azy ao amin-ny fitanisany... [1.10] | |
Voambolana | Haitoetany: tanàna | |
Mpanahaka | Ny Tendrombohitra Roambinifolo | |
Fangi-bolantany | 1857, 4733 | |
Haianarantany | merina, zaka, manjaka | |
Nohavaozina tamin' ny 2023/02/21 |
![]() |