Teny iditra henatra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tahotra ny fahaverezan-kaja sy voninahitra: Henatr' olona re izany! Tsy sahy mitraka mihitsy izy rehefa mamakivaky eo afovoan' ny olona
Fahatsiarova na ny tena ho ambany, noho ny toetra ratsy ananana na asa ratsy tsy mendrika natao: Safotry ny henatra ny anao lahy fa tratran' ny fokonolona nangalatra teo an-tsena
Fahafaham-baraka: Henatra ho an' ny fianakaviana ny zaza tahaka ireny
Fanajana be loatra amin' ny olona iray ka mahatonga ny tena tsy ho sahisahy aminy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Shame, disgrace [1.2, 1.7]
 Shamefacedness, bashfulness [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Honte; humiliation [1.8]
  [Sakalava-Mayotte] [ heñatra ] Honte [1.405]
Ohatra 
1Misahirana atosiky ny fitiavana mifangaro henatra ny ho ratsy laza izany no mihaokaoka. [2.245]
2Te-hikosoka ny henatra lehibe tamin' ny nisaoran' olona ny zanany vavy tokana, hono, izy. [2.643]
Voambolana 
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/15