Teny iditra havokavoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Taova anankiroa, havia sy havanana, ao anaty tratra, mifono ao anaty kitapo roa sosona atao hoe plevra, ka fiafaran' ny fitaovam-piaina. (Entin' ny traokabe, izay mizarazara ho zana-traoka eo am-pidirana amin' ny havokavoka, ny rivotra ka miafara any amin' ny kitapon-drivotra kely an' analinaliny; ao anatin' ireo kitapon-drivotra kely ireo no mifandray ny mpanelira madinika sy ny mpamerindra madiniky ny havokavoka, ka ny ra mena mainty entin' irery voalohany, mivesatra gaza karbonika, dia miova ho mena midorehitra noho ny oksizenan' ny rivotra, ka dia entin' iretsy faharoa kosa indray any amin' ny fo) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The lungs, the lights. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Poumons [1.5]
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra havokavoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Kapoka mandrivorivo, fikapohana na famelezana mafy tsy misy indrafo. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Flogging, beating, striking. See kapoka, vely. [1.2]
Sampanteny 
 

Teny iditra havokavoka (havoka)
Sokajin-teny anarana
Sampanteny 
Mpanahaka  volo/colors/couleurs

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05