Teny iditra hajia
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vola (na zavatra) fandoa araka ny fomba efa narahina ela ho fanajana sy ho fanoavana ny mpanjaka na ny tompomenakely na ny olona ambony. (Hatramin' ny vodiakoho naterina ho an' ny ray aman-dreny avy aza dia natao hoe hajia, ka araka izany, dia angamba mety ho avy amin' ny teny hoe haja ihany ny hajia)
(Ankehitriny) Ilay singan-tsary kely saram-pandefasana taratasy amin' ny paositra. Misy hajia karazany roa: ny hajian-taratasy ary ny hajian-ketra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A tax, revenue, income arising from a feudal estate. [Mal. hajia, a present.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Revenu, impôt, taxe, redevances payées aux seigneurs [1.3]
 Timbre [1.13, 1.5]
Ohatra Mampita ny hafatra an-tsoratra amin'ny fitondrana taratasy misy hajia izy. [2.117]
Kamban-teny 
Ny fihaviany Malay: hajia (tolotra).
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/29