Teny iditra fongarina (fongatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Hadina avy ao anaty tany: Misy faty tadiavin' ny olona fongarina etoamin' ity toerona ity
Velomina indray: Misy tsy tsara hofongarina ny fomba fahiny sasany
Tsahivina indray, nefa efa navalon' ny fanadinoana: Aza fongarina ny hadisoana taloha [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on sort, qu'on extrait, qu’on fouille, qu'on déterre, qu’on fait revivre, qu’on révèle: Fongarin ’ny vazaha hatraiza hatraiza ny volamena (Les Européens fouillent partout l’or) ~ Rakitra saro-bidy no nofongarina tao (On a déterré là un précieux trésor) ~ Tsy azo fongarina ny fanao sasany teo aloha (On ne peut pas faire revivre certains usages d’autrefois) [1.3]
Ohatra 
1Raha tetezina ny tantara ka avadibadika ny fomba ary fongarina ny fitenin' ny razana izay ela izay, dia indro ny lalàn' ny fitondrantenany fa nisoritra mandrakariva teo aminy [2.296]
2Fa raha fongarina kosa ny tsiambaratelo afenin' ny kibon' ny tany, hita fa mbola voatahiry ao ireo fanaka sy fitaovana samihafa nampiasain' ireo Razamben' ny olombelona, toy ny vato voatandana. [2.285]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : fongarina, fongariko, fongarinao, fongariny, fongarintsika, fongarinay, fongarinareo, fongarin', fongarin-, fongarim-, fongari-
Ny lasa : nofongarina, nofongariko, nofongarinao, nofongariny, nofongarintsika, nofongarinay, nofongarinareo, nofongarin', nofongarin-, nofongarim-, nofongari-
Ny hoavy : hofongarina, hofongariko, hofongarinao, hofongariny, hofongarintsika, hofongarinay, hofongarinareo, hofongarin', hofongarin-, hofongarim-, hofongari-
Filaza mandidy : fongary, fongaty
Tovy hevitra fongatina

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2024/04/01