Teny iditra fitorahana (toraka)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanipazana vato (na zavatra hafa) amin' olona na zavatra iray mba hahavoa azy: Tsy nitsahatra ny fitorahana ny tranonay raha tsy afaka adiny iray. / Ny fitorahana sponjy ny mpanao ady totohondry iray dia mariky ny fahareseny
Fizorana, fihitsiana: Rehefa tonga amin' io tanàna io ianao, dia ny fitorahana miantsinanana no hahatonga anao any aminay [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20