Teny iditra Fitenin-dRazako
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Andriamanantena Georges
Lahatsoratra 
Eny, mamiko ianao, ry tenin-drazako, ry teniko,
Tiako ianao, laniko loatra ary izao dia tsy afeniko
Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko
Mampitovy lanja anao sy Neny 'lay niteraka ahiko!

Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny
nanononako an'i Dada, nanononako an'i Neny?
Dia i Dada sy i Neny, sampan-drano nitsinjovako
ny loharano niandohako, dia ireo razana tsarovako.
Dada, Neny, mamy izany: aina nisehoan'ny felana,
tany nisehoan'ny voa, lalana nanelanelana,
vavolombelona hita-maso, maneho ny lasa izay takarina
ho tsinapa sy azo raisina ary tena nisy marina.

Tiako i Dada, mamy i Neny. Nefa inona, lazao
no ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao?
Ry tenin-drazako lalaiko! ry teny mamy tsy ariako,
taminao no nahalalako'reto faka nitsiriako...

Ary raha zohina indray ny zana-tohatra niakarako
teny an-dalan'ny fiainana isoritan'ny tantarako,
dia lasitra namboarinao, notinefinao maharitra
hifanentana amin'ny molotro, no nahaizako namaritra
ny hasoan'ito taniko: ka na lanitra baliaka,
na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka,
na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo
eny anivon-takariva mampiherika mpandalo,
ka mampody aina indray ilay tanàna-haolo-ngazako...
taminao dia taminao, taminao, ry tenin-drazako!

Ary nony vaky vony'lay fitia tanaty foko
ka niraraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko,
moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro,
hanambara ilay fitia nampombain'ny fo natolotro?
Teny tsotra nahalaza ny fitia sy ny alaheloko
izay narafitra ho tantaran'ny tsiambarateloko.
Eny, ho'aho, ry tenin-drazako, ry fiteny malagasiko,
tsy nindrana aho fa ambiny aza'ireto vita an-taratasiko.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/02