Teny iditra fisavàna (sava)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fampihatahana na fanesorana ny zavatra manodidina: Ny fisavana ny ahitra no nahitana ilay vola very
Fikarohana, fitadiavana zavatra eny amin' ny tenan' ny olona iray na ao an-tranony: Naharitra adiny iray ny fisavana ireo nahina ho mpangalatra
Fanalana izay zavatra manelingelina: Vao fisavana ranonando fotsiny izao
Fialana, fisindana: Fisavan' ny zavona indrindra tamin' izay
Fihenana, fialana: Fisavan' ny aretina izao, hoy ny dokotera, fa aza matahotra [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20