Teny iditra fihetsehana (hetsika)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fihevingevenan' ny loha, vatana, tanana: Manao fihetsehana mampihomehy Isambilo
Paika, hevi-petsy: Ianao koa ohatra ny mbola tsy mahalala ny fihetsehan' i Jaona
Fiovana tampoka amin' ny fandehan' ny aretina: Nisy fihetsehana ny aretin-drainy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Mouvement, geste [1.13]
Ohatra Iny fihetsehana alina iny no toa fara-heriny satria tsy afa-nitsangana intsony ny lehilahy. [2.470]
Haiendriteny 
Tsotra : fihetsehana, fihetsehako, fihetsehanao, fihetsehany, fihetsehantsika, fihetsehanay, fihetsehanareo, fihetsehan', fihetsehan-, fihetseham-, fihetseha-
Tovonana : -pihetsehana, -pihetsehako, -pihetsehanao, -pihetsehany, -pihetsehantsika, -pihetsehanay, -pihetsehanareo, -pihetsehan', -pihetsehan-, -pihetseham-, -pihetseha-

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20