Teny iditra famangiana (vangy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fitsidihana; fitsapana alahelo, fanaladiana [1.1]
 Fitsidihana havana, namana, toerana: Aza hadinoina ny famangiana ny any an-tanàna [1.62]
Fanazavàna teny anglisy A visit [1.7]
Fanazavàna teny frantsay L'action de visiter, la visite, la cause [1.3]
 Visite [1.5]
Ohatra 
1Koa rehefa vita ny famangiana dia mody. [2.366]
2Vitsy ihany tao anatin' ny taona iray ny famangiana na fanasana toy ireny. [2.356]

Teny iditra famangiana (vangy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vola entina mamangy: Ohatrinona ny famangiana hataontsika? [1.1]
 Fitsapana alahelo an' ireo tra-pahoriana na tra-boina na mana-manjo ho mari-piaraha-miory: Rahampitso ny mpifanolo-bodirindrina no hanao ny famangiana [1.62]
Fanazavàna teny frantsay Les cadeaux de visite [1.3]
 Cadeaux à l'occasion d'une visite [1.5]
Ohatra Ny manan-kaja teto an-tanàna dia samy nidodododo hamangy azy sady nitondra famangiana : ondry, vorombe. [2.649]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31