Teny iditra | daomy | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | [frantsay domino] Karazan-kilalao misy vato valo amby roapolo misy masony; zaraina mitovy isa amin' ny mpilalao telo ny iraika amby roapolo amin' ireo vato ireo, ka mifandimby mandahatra ny azy raha misy vato miady masony amin' izay mivoaka ny mpilalao; izay mahalany vato any aminy voalohany no mahazo amin' ny indray mihodina, ka dia isaina ho azy ny masom-baton' ireo sisa tsy mbola nahalany ny azy [1.1] | |
Voambolana | Kilalao | |
Ny fihaviany | Frantsay: domino. | |
Fivaditsoratra | daomy, dimao, madio, maody, miado, modia |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |