Teny iditra daholo
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Rehetra tsy misy avahana: Nihoraka daholo ny mpianatra. (Marihina fa sady mamaritra ny matoanteny ny daholo no mifandray amin' ny teny lazaina: Nihinana paiso daholo ny mpianatra; Nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso. Araka izany dia mitovy hevitra amin' ny rehetra ihany izy saingy ny rehetra mpamaritra anarana ka atao manaraka ny anarana mandrakariva, ary izany koa matetika no mahatonga ny olona hampiasa azy roa miaraka: Nihinana paiso daholo ny mpianatra rehetra; nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso rehetra) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The whole, all, altogether [1.2]
 All together [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tous [1.3]
 Tous ensemble [1.8]
Ohatra 
1Ao daholo ve ry zalahy? [2.528]
2Lasany daholo ny ombiko. [2.895]
3Ento daholo ny babo rehetra! [2.324]
4Manao ahoana daholo ianareo? [2.4]
5Nihinana paiso daholo ny mpianatra rehetra; nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso rehetra [1.1]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ny fihaviany Anglisy: the whole.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31