Entrée bokotra
Partie du discours nom
Explications en malgache Zavatra vita tamin' ny tandroka na hazo na nifin' elefanta voamboatra boribory ka apetaka amin' ny akanjo mba hanidiana ny laniny roa aminy misaraka: Boko-palitao
¶ Lava-bokotra: lavaka atao amin' ny akanjo izay zairina ny sisiny ary atao hidin' ny bokotra
¶ Zavatra boribory fampandehanana ny vata fandraisam-peo sasantsasany: Ahodino ny bokotra fa tsy tiako izany hira izany [Rajemisa 1985]
Explications en anglais a button. [Eng. Button.] [Richardson 1885]
 [French bouton] a button. [Hallanger 1973]
Explications en français [français bouton] bouton [Hallanger 1974]
Vocabulaire 
Origine Anglais: button. Français: bouton.
Mots composés, titres, noms 
Exemples 
1Nanindry bokotra kely teo ankavian' ny latabany izy. [Andriamalala: Ranomasina, page 58]
2Njay ny an' ialahy", hoy aho namaha ny bokotra malabariko. [Andraina: I Vola, page 108]
3Eto dia vozon' akanjo tsy mihidy bokotra fa mivelatra mampiseho tenda. [Randriamiadanarivo: Sikajy, page 209]

Mis à jour le 2020/07/31