Teny iditra biriky
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Feta ampandrina ka alatsaka anaty lasitra (hazo lavalava efa-joro) ka ananganana trano rehefa maina; misy karazany roa ny biriky: ireo atao amin' ny tany tsotra, izay atao hoe biriky tany, ary ireo atao amin' ny tanimanga na tany dilatra, izay atao hoe biriky tanimanga; ireto faharoa dia tsy maintsy dorana ao anaty lafaoro amin' ny fompotra na amin' ny kitay hazo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A brick [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Brique [1.8, 1.13]
Ohatra 
1Nosokirinay ho lasa trano ny biriky. [2.445]
2Ny tiako, dia ny mba ho trano fiangonana biriky. [2.270]
3Ary hatao tafo tanimanga sy rindrim-biriky madio ivelany. [2.470]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ny fihaviany Anglisy: brick (a). Frantsay: brique (une).
Lahatsoratra 
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11