|
|
|
|

Teny iditra1  Baroa
Sokajin-teny  2  anarana hita ao amin' ny ohabolana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 tompo, andriana, mpanjaka. Anarana miraikitra amin' ilay fitenenana malaza hoe fanjakana i baroa, ilazana ny raharaha, na ny tokantrano, na ny fanjakana, ets., mikorontana, tsy misy filaminana, tsy ampanarahina fitsipika na lalàna velona, ka hararaotin' ny fetsy hahazoany tombon-tsoa ho an' ny tenany fotsiny, araka ilay hoe "samy manao izay hihinanany"... [1.10#B79]
4 Anarana mpitondra fanjakana iray, izay tsy fantatra marina raha nisy aratantara fa nanaovana ohatra amin' ny fitondrana baranahiny, tsy misy lalàna, ka samy manao izay tiany ny olom-pehezina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 same as baranahiny [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6 nom vrai ou fabuleux d'un roi excessivement débonnaire: Fanjakan' i Baroa (La cour du roi Pétaud, pétaudière) [1.3]
Kamban-teny rehetra  7 fanjakan' i Baroa

Fivaditsoratra  8 arabo, 9 aroba, 10 barao, Baroa, 11 boara, 12 rabao

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08