Teny iditra azinina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anaran-kazo lehibebe ihany, sahalahala bika amin' ny zahana; lalovana raha avy atsimo mankany Soanierana-Ivongo; ao atsimotsimo kelin' ny tanàna no ahitana azy maromaro miara-maniry, ka fatratra koa raha fatratra ny endriky ny voniny (volana Août): miendri-dakolosy kely, mena ranombalahy, somary voloina toy ny vilaory, ary mitambatra maromaro toy ny sahondra. Raha vao nahita ity izy, hono, izany mpivahiny Merina, dia finaritra, nigaga teo ka nanontany ny teratany: Hazo inona io? Tsy nisy anarana nanononan' ny mponina azy, ka dia io "hazo inona" io no naveriny, dia raikitra, miova ho "azinina". (Mety hisy azy koa amin' ny toeran-kafa, fa teo no nahitan' ny mpanoratra ity azy). [1.10]
Fanazavàna teny frantsay  [Betsimisaraka] [Betsimisaraka] (corruption de hazina, de zina, vieux mot malgache qui évoquait la « grâce », les faveurs du temps. On dit encore taon-jina : une année d'abondance). Nom générique des Symphonia (Clusiaceae). Arbres à fruits pendants, rouges à maturité, attirant facilement l'attention. Les graines fournissent une matière grasse concrète, sorte de beurre végétal dont on fait des onguents pour les bébés, des crèmes de beauté, etc. Le tronc secrète une gomme-gutte de couleur ocre à laquelle on attribue des grandes vertus. On l'emploie dans les cérémonies magiques : possessions provoquées. [1.196]
Anarana siantifika Symphonia
Voambolana 
Habaka Xylothèque de Jean-Claude Cerre (http://perso.orange.fr/cerre/poster/pages/Azinina.htm)

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31