Teny iditra avoaka (voaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Roahina: Avoahy any io alika io
Asaina hiala ny trano: Navoaka ny mpiasa fa hasiana D.D.T. ao an-trano
Esorina avy ao anaty: Navoaka daholo ny zavatra rehetra tao anaty vatany
Lazaina: Nanohina ny fon' ny olona ny teny navoakan' ny vavany
Lazaina am-pahibemaso: Misy didy vao navoakan' ny fanjakana vao haingana momba ny halatra omby
Aposaka: Avoahy tsara eto anoloan' ny fitsarana izay zavatra fantatrareo
Aseho voalohany ho hitan' ny olona: Itỳ no boky faharoapolo navoakako [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on fait sortir, qu’on sort, qu'on accompagne en sortant, qu’on envoie, qu’on expédie, qu’on chasse, qu’on livre, qu’on montre, qu’on manifeste, qu’on découvre, qu'on exhibe, qu’on dit, qu’on révèle, qu’on dénonce, qu’on publie, qu’on prononce, dont on rend compte [1.3]
Ohatra 
1Navoaky ny fanjakana ny miaramila hanafika ny Sakalava (Le gouvernement a envoyé, expédié des soldats pour faire la guerre aux Sakalaves) [1.3]
2Navoaky ny leniben’ ny tanàna io olona tsy fantatra io (Les chefs du village ont chassé cet inconnu) [1.3]
3Izao ny lalàna vaoavo navoaky ny fanjakana (Voici la nouvelle loi publiée par le gouvernement) [1.3]
4Inty ny diksionera vaovao vao navoaka (Voici le nouveau dictionnaire qui vient d’être publié) [1.3]
5Tsara loatra ny teny navoaky ny vavany (Les paroles sorties de sa bouche, qu’il a prononcées, sont excellentes, il a très bien parlé) [1.3]
6tapany ihany no avoaka, dia izay itenenana no mameno azy an'eritreritra. [2.298]
7Avoaka avy ao anaty vata kely volafotsy ny tandro-bola ka apetraka eo ambony farafara. [2.508]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : avoaka, avoakako, avoakanao, avoakany, avoakantsika, avoakanay, avoakanareo, avoak', avoakan', avoa-, avoaky
Ny lasa : navoaka, navoakako, navoakanao, navoakany, navoakantsika, navoakanay, navoakanareo, navoak', navoakan', navoa-, navoaky
Ny hoavy : havoaka, havoakako, havoakanao, havoakany, havoakantsika, havoakanay, havoakanareo, havoak', havoakan', havoa-, havoaky
Filaza mandidy : avoahy
Kamban-teny 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20