Teny iditra asandratra (sandratra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asondrotra, apetraka ho eo amin' ny toerana ambonimbony kokoa: Tokony hasandratra ny jiro fa iva loatra
Omena voninahitra, ampakarina voninahitra: Mendrika ny hasandratra io lehilahy io fa nahavita be tamin' ny tanindrazana ~ Asandratr' Andriamanitra izay manetry teny
Atao
Atsangana
Hasandratra ho olo-masina ny zanaky ny nosintsika iray [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be raised high; to be exalted, to be honored [1.7]
Fanazavàna teny frantsay à placer haut, à élever, à exhalter, à promouvoir en dignité [1.3]
 Qu'on soulève; qu'on exalte, honore [1.8]
Ohatra Dia asandratra indray ny sampy asandratra omby malaza A. [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : asandratra, asandratro, asandratrao, asandrany, asandratsika, asandratray, asandratrareo, asandratr', asandra-, asandratry
Ny lasa : nasandratra, nasandratro, nasandratrao, nasandrany, nasandratsika, nasandratray, nasandratrareo, nasandratr', nasandra-, nasandratry
Ny hoavy : hasandratra, hasandratro, hasandratrao, hasandrany, hasandratsika, hasandratray, hasandratrareo, hasandratr', hasandra-, hasandratry
Filaza mandidy : asandrato
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20