Teny iditra arendrika (rendrika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alatsaka ao anaty rano mba ho difotra: Aleo narendrika ilay sambo satria entana halatra no tao anatiny
Empoina: Arendrika ny halimo hanaovana lakolosy
Atao mitovy tantana: Tokony harendrika ity tokotany ity
Taomina, vokisana hikomy: Olona tsotra daholo no narendriny hikomy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Melted, to be sunk or wrecked [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on coule; qu'on fait couler; qu'on fond; qu'on fait échouer [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : arendrika, arendriko, arendrikao, arendriny, arendritsika, arendrikay, arendrikareo, arendrik', arendri-
Ny lasa : narendrika, narendriko, narendrikao, narendriny, narendritsika, narendrikay, narendrikareo, narendrik', narendri-
Ny hoavy : harendrika, harendriko, harendrikao, harendriny, harendritsika, harendrikay, harendrikareo, harendrik', harendri-
Filaza mandidy : arendreho
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20