Teny iditra ankaso
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fanaovana izay hahavoa ny sasany na izay hahasimba ny ataony na ny fananany: Aoka tsy hifanao ankaso
Mitovy hevitra: filambanony ~ hasomparana ~ hetraketraka ~ sotasota
Avy amin' itỳ farany itỳ indrindra no niavian' ny hoe ankaso: an-kasomparana, an-kaso, ankaso
Fahavoazana mihatra amin' ny tena noho ny afitsoky ny fiainana: Loza ny ankason' ny tany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Taking by force; malicious damage [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Du mal fait à quelqu'un [1.8]
Ohatra Ary tsy mpamono olona nasesiky ny tsy nahy, fa mpamono olona noho ny ankaso fotsiny izao. [2.471]
Tovy hevitra ankasomparana ~ filambanony ~ hasomparana ~ hetraketraka ~ sotasota
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31