Teny iditra anivona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazan-kazo maniry fianakaviamben' ny rofia; maivamaivana nefa mateza ny hazony; maozatra sy mafy ny hozany, ka maranitra manindrona ery nony nony mahasomisika amin' ny tanana; fanao zanatsipika sy zanatsirika; fanao terilatsy amin' ny rindrin' ny tranohazo, na tranovolo, na ny tafontrano. Voalazan' ny tantara fa ny lefona anivona nampiasain' Andriandranandobe dia afaka nifaninana tsara tamin' ny lefona vy nampiasain' Andriamanelo. [1.1]
  [Betsimisaraka] Karazam-palma maniry eny amin'ny lohasaha na heniheny [1.78]
 Karazan-kazo fanao terilatsy amin' ny rindrin' ny trano hazo [1.10]
Fanazavàna teny anglisy A palm used in house-building. The wood is also used as a torch by the queen's messengers who travel by night. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  [Merina, Tanala] (de nom d'un Palmier de Sumatra nommé anibung avec lequel l'espèce malgache a été confondue). Phloga polystachya (Baker) Noronha ex Baill.(Arecaceae). Utilisé par les Malgaches dans le passé lointain pour faire des épieux (avant l'utilisation du fer). On les appelait lefona-anivona et leur souvenir s'est perpétué dans plusieurs contes. Aujourd'hui lefona veut dire la lance, la sagaie. (Voir ci-dessus anivo). [1.196]
Anarana siantifika Phloga polystachya
Ohatra 
1Nony namindra indray ny tongony havia dia voan' ny anivona koa, ka niboroaka tany an-damosiny. [2.69]
2Koa rehefa mety ho vatan-dehilahy, afa-tsy ny antitra sy ny zazabodo dia tsy maintsy miaro tanindrazana: mandray lefona, mivatsy anivona. [2.445]
Voambolana 
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31