Teny iditra amoizana (foy)
Sokajin-teny matoantenin' ny fameno
Ohatra 
1Moa tsy hianao no namoizako ny tena fototro rehetra Fanjakana! [2.928]
2Raha fitaka nampianarin' olona io, nahoana no dia sahin' ny mpivavaka amoizana ny ainy? [2.285]
3Dia izany tokoa mantsy no hita eto amin' ny fiainana: vidina lafo matetika ny ala tahaky ny lanitra izay anefa amoizana ny lanitra. [2.313]
4Maty aho, ray vahoaka, fa nilazan' olona ny kobaka am-bava, ny vojana an-tenda, ka ny vavany nalefaka androtr' izay no namoizako ny ahy tsy foiko; [2.69]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : amoizana, amoizako, amoizanao, amoizany, amoizantsika, amoizanay, amoizanareo, amoizan', amoizan-, amoizam-, amoiza-
Ny lasa : namoizana, namoizako, namoizanao, namoizany, namoizantsika, namoizanay, namoizanareo, namoizan', namoizan-, namoizam-, namoiza-
Ny hoavy : hamoizana, hamoizako, hamoizanao, hamoizany, hamoizantsika, hamoizanay, hamoizanareo, hamoizan', hamoizan-, hamoizam-, hamoiza-
Filaza mandidy : amoizy, amoizo

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/17