Teny iditra ambela (vela)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ajanona: Navelanareo aiza ny zanakareo mivady?
Apetraka: Avelao ao amin' ny mpiandry trano ny taratasy raha misy
Hadinoina: Navelany ny satrony ka mandehàna vonjeo haingana izy
Atsahatra: Avelao amin' izay ny ady hevitra tsy mitera-boka-tsoa
Afoy: Avelako ho anao itỳ boky sarobidy itỳ
Omena lalana: Avelao kely aho handeha
Amindràna fo: Avelako ny hadisoanao amin' ity indray mandeha itỳ ka mitandrema tsara amin' ny sisa [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ambela, ambelako, ambelanao, ambelany, ambelantsika, ambelanay, ambelanareo, ambelan', ambelan-, ambelam-
Ny lasa : nambela, nambelako, nambelanao, nambelany, nambelantsika, nambelanay, nambelanareo, nambelan', nambelan-, nambelam-
Ny hoavy : hambela, hambelako, hambelanao, hambelany, hambelantsika, hambelanay, hambelanareo, hambelan', hambelan-, hambelam-
Filaza mandidy : ambelao
Tovy hevitra avela

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20