Teny iditra alamina (lamina)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao tsara lahatra, amboarina mba hirindra: Alamino ireto boky ireto
Karakaraina mba ho amin' ny toerana tokony hisy azy avy ny zavatra rehetra: Nalaminy ny trano vao nandeha izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be arranged, to be set in order [1.2]
Ohatra Alamina sy diovina ny manodidina. [2.117]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : alamina, alamiko, alaminao, alaminy, alamintsika, alaminay, alaminareo, alamin', alamin-, alamim-, alami-
Ny lasa : nalamina, nalamiko, nalaminao, nalaminy, nalamintsika, nalaminay, nalaminareo, nalamin', nalamin-, nalamim-, nalami-
Ny hoavy : halamina, halamiko, halaminao, halaminy, halamintsika, halaminay, halaminareo, halamin', halamin-, halamim-, halami-
Filaza mandidy : alamino

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19