Teny iditra ahatsiarovana (tsiaro)
Sokajin-teny matoantenin' ny fameno
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Ohatra 
1Tsapan'ny ankizy ombieny ombieny ny faharahiranana mihatra aminy, ka ahatsiarovany ny fahakambotiany [2.470]
2Tsy vitan'ny ao an-trano sy amin'ny fiaraha-monina ao an-tanana no ahatsiarovanay maharary amin'ny fahatranay, fa hatrany an-tsekoly [2.472]
3Zavatra sarotra hazavaina izany, fa dia misy fotsiny izao fotoana ahatsiarovanao ny tenanao ho voateritery sy sempotsempotra rahefa tsy mahita faravodilanitra tsy manam-petra eny amin'ny manjepizepy ianao [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ahatsiarovana, ahatsiarovako, ahatsiarovanao, ahatsiarovany, ahatsiarovantsika, ahatsiarovanay, ahatsiarovanareo, ahatsiarovan', ahatsiarovan-, ahatsiarovam-, ahatsiarova-
Ny lasa : nahatsiarovana, nahatsiarovako, nahatsiarovanao, nahatsiarovany, nahatsiarovantsika, nahatsiarovanay, nahatsiarovanareo, nahatsiarovan', nahatsiarovan-, nahatsiarovam-, nahatsiarova-
Ny hoavy : hahatsiarovana, hahatsiarovako, hahatsiarovanao, hahatsiarovany, hahatsiarovantsika, hahatsiarovanay, hahatsiarovanareo, hahatsiarovan', hahatsiarovan-, hahatsiarovam-, hahatsiarova-
Filaza mandidy : ahatsiarovy

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19