<-
->

Mik / Mi 1:1 The word of the Lord that came to Micah the Morasthite in the days of Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah, which he saw concerning Samaria and Jerusalem. Ny tenin' i Jehovah izay tonga tamin' i Morastita tamin' ny andro nanjakan' i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan' ny Joda, dia ilay hitany ny amin' i Samaria sy Jerosalema. Tenin' ny Tompo natao tamin' i Mikea avy ao Moreseta, tamin' ny andro nanjakan' i Joatana sy Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan' i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an' i Samaria sy Jerosalema. Parole de Yahvé qui fut adressée à Michée de Moréshèt, au temps de Yotam, d' Achaz et d'Ézéchias, rois de Juda. Ses visions sur Samarie et Jérusalem.
Mik / Mi 1:2 Hear, all ye people; hearken, O earth, and all that therein is: and let the Lord GOD be witness against you, the Lord from his holy temple. Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin' ny tempoliny masina. Mihainoa hianareo, ry firenena rehetra! Mandrenesa tsara, ry tany, mbamin' izay rehetra monina eo aminao! Efa hitsangan-ko vavolombelona hiampanga anareo ny Tompo Iaveh, dia ny Tompo avy ao amin' ny lapan' ny fahamasinany! Écoutez, tous les peuples! Sois attentive, terre, et tout ce qui t' emplit! Yahvé va témoigner contre vous, le Seigneur, au sortir de son palais sacré!
Mik / Mi 1:3 For, behold, the Lord cometh forth out of his place, and will come down, and tread upon the high places of the earth. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin' ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin' ny tany. Fa indro Iaveh efa hivoaka avy ao amin' ny fonenany; hidina izy handia ny havoana amin' ny tany. Car voici Yahvé qui sort de son lieu saint : il descend, il foule les sommets de la terre.
Mik / Mi 1:4 And the mountains shall be molten under him, and the valleys shall be cleft, as wax before the fire, and as the waters that are poured down a steep place. Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin' ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin' ny hantsana. Ny tendrombohitra hitsonika eo ambanin' ny diany, ny lohasaha hitresaka toy ny savoka eo anoloan' ny afo, toy ny rano voarotsaka amin' ny tany misolampy. Les montagnes fondent sous ses pas, les vallées s' effondrent, comme la cire devant le feu, comme l' eau répandue sur la pente.
Mik / Mi 1:5 For the transgression of Jacob is all this, and for the sins of the house of Israel. What is the transgression of Jacob? is it not Samaria? and what are the high places of Judah? are they not Jerusalem? Noho ny fahadisoan' i Jakoba sy ny fahotan' ny taranak' Isiraely no isian' izany rehetra izany. Iza no nahadiso an' i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon' i Joda? Tsy Jerosalema va? Ny hisian' izany dia noho ny helok' i Jakoba sy noho ny fahotan' ny taranak' Israely. Inona no helok' i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon' i Jodà? Tsy Jerosalema va? Tout cela, à cause du crime de Jacob, du péché de la maison d' Israël. Quel est le crime de Jacob ? N' est-ce pas Samarie ? Quel est le péché de la maison de Juda ? N' est-ce pas Jérusalem ?
Mik / Mi 1:6 Therefore I will make Samaria as an heap of the field, and as plantings of a vineyard: and I will pour down the stones thereof into the valley, and I will discover the foundations thereof. Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany. Koa Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha, tany fambolena voaloboka; hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony, ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany. " Je vais faire de Samarie une ruine dans la campagne, une terre à vignes. Je ferai rouler ses pierres à la vallée, je mettrai à nu ses fondations.
Mik / Mi 1:7 And all the graven images thereof shall be beaten to pieces, and all the hires thereof shall be burned with the fire, and all the idols thereof will I lay desolate: for she gathered it of the hire of an harlot, and they shall return to the hire of an harlot. Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin' ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin' ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin' ny vehivavy janga indray izy. Hotorotoroina ny sariolona rehetra ao aminy; ho levon' ny afo ny tambiny rehetra; hataoko faharavan-javatra avokoa ny sampiny fa tangim-pijangajangana no nanangonany an' ireny, ka hody ho tangim-pijangajangana indray koa ireny. Toutes ses statues seront brisées, tous ses salaires dévorés par le feu, toutes ses idoles, je les livrerai à la solitude, car elles ont été amassées avec le salaire des prostituées et elles redeviendront salaire de prostituées. " Complainte sur les cités du Bas-Pays.
Mik / Mi 1:8 Therefore I will wail and howl, I will go stripped and naked: I will make a wailing like the dragons, and mourning as the owls. Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa. Noho izany aho dia hitomany sy hidradradradra, handeha tsy mitafy sy miboridana; handefa finaonaonana toy ny amboadia, ary fitarainana toy ny ostritsa. Pour cela, je vais gémir et me lamenter, je vais aller déchaussé et nu, je pousserai des gémissements comme les chacals, des plaintes comme les autruches.
Mik / Mi 1:9 For her wound is incurable; for it is come unto Judah; he is come unto the gate of my people, even to Jerusalem. Fa tsy azo sitranina ny ferin' i Samaria; Fa mihatra amin' i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin' ny oloko aza, dia any Jerosalema. Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin' i Jodà, tonga hatreo ambavahadin' ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. Car il n' y a pas de remède au coup de Yahvé; il atteint jusqu'à Juda, il frappe jusqu'à la porte de mon peuple, jusqu'à Jérusalem!
Mik / Mi 1:10 Declare ye it not at Gath, weep ye not at all: in the house of Aphrah roll thyself in the dust. Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho. Aza ambaranareo any Geta izany; aza mitomany any Akao hianareo! Mihosinkosina amin' ny vovoka any Beta-Afra aho. A Gat, ne le publiez pas, à... ne versez pas vos pleurs! A Bet-Léaphra, roulez-vous dans la poussière!
Mik / Mi 1:11 Pass ye away, thou inhabitant of Saphir, having thy shame naked: the inhabitant of Zaanan came not forth in the mourning of Bethezel; he shall receive of you his standing. Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan' i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao. Mandalova mitanjaka amin-kenatra, ry kala mponina ao Safira! Tsy mivoaka ikala mponina ao Tsoanàna; ny fisaonan' ny ao Beta-Hatsely no tsy ahazoanareo mialoka eo. Sonne du cor, toi qui demeures à Shaphir! Elle n' est pas sortie de sa cité, celle qui demeure à Çaanân! Bet-ha-Éçel est arrachée de ses fondations, de la base de son assise!
Mik / Mi 1:12 For the inhabitant of Maroth waited carefully for good: but evil came down from the Lord unto the gate of Jerusalem. Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin' i Jehovah ho ao am-bavahadin' i Jerosalema. Ory ikala mponina ao Maroty, noho ny amin' ny fananany; fa nidina avy tany amin' ny Tompo ny loza, ho eo ambavahadin' i Jerosalema. Pourrait-elle donc espérer le bonheur, celle qui demeure à Marôt ? Car le malheur est descendu de chez Yahvé à la porte de Jérusalem.
Mik / Mi 1:13 O thou inhabitant of Lachish, bind the chariot to the swift beast: she is the beginning of the sin to the daughter of Zion: for the transgressions of Israel were found in thee. Fehezo amin' ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan' ny fahotan' i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan' Isiraely. Afehezo amin' ny kalesa ny soavaly, ry kala mponina ao Lakisa; fiandohan' ny fahotana ho an' ny zanakavavin' i Siona, no nahitana ny helok' Israely ao aminao. Attelle au char le coursier, toi qui demeures à Lakish! Ce fut le début du péché pour la fille de Sion, car c' est en toi que l' on trouve les forfaits d' Israël.
Mik / Mi 1:14 Therefore shalt thou give presents to Moreshethgath: the houses of Achzib shall be a lie to the kings of Israel. Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an' i Moresetagata; Ranotrambo ho an' ny mpanjakan' ny Isiraely ireo tranon' i Akziba. Noho izany hianao hamoy ny anananao an' i Moreseta ao Geta; ny trano ao Akziba dia ho fanodokana ho an' ny mpanjakan' Israely. Aussi tu devras verser une dot pour Moréshèt-Gat. Bet-Akzib sera une déception pour les rois d' Israël.
Mik / Mi 1:15 Yet will I bring an heir unto thee, O inhabitant of Mareshah: he shall come unto Adullam the glory of Israel. Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr' Isiraely. Hitondrako mpandresy hianao, ry kala mponina ao Maresà; ho lasana hatrany Odollama ny tabihan' Israely. Le pillard te reviendra encore, toi qui demeures à Maresha! Jusqu'à Adullam s' en ira la gloire d' Israël.
Mik / Mi 1:16 Make thee bald, and poll thee for thy delicate children; enlarge thy baldness as the eagle; for they are gone into captivity from thee. Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an' ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. Ongoty ny volonao, kakaso izy, noho ny amin' ireo zanakao malalanao; ataovy tonga sola toy ny papango sola ny lohanao fa lasan-ko babo lavitra anao ireny. Arrache tes cheveux, rase-les, pour les fils qui faisaient ta joie! Rends-toi chauve comme le vautour, car ils sont exilés loin de toi!

<-
->