Teny iditra | zanozano | ||
Sokajin-teny | anarana | ||
Fanazavàna teny malagasy | Fomban-drandram-bolo fanao any an'indrana, indrindra amin'ny Bezanozano, Betsileo, Antandroy: atambatra ny randrana fa avona isaky ny soritra, dia mirazorazo maromaro manodidina ny loha [1.1] | ||
Voambolana | Fandram-bolo | ||
Anaram-poko |
| ||
Teny iditra | zanozano | ||
Sokajin-teny | anarana | ||
Fanazavàna teny malagasy | Anaran' ny rantsan-kazo amin' ny Betsimisaraka; rehefa nidina nankany amin' ny Betsimisaraka maka sira na mikarama ny Bezanozano dia nitondra rantsan-kazo maina hataina nony mby teny akaiky tanàna; izany no naharaikitra ny anaran' ny Bezanozano [1.1] | ||
[Tanosy] Rantsankazo madinika atao kitay [1.78] | |||
Voambolana | Haizavamaniry: hazo | ||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |