Teny iditra | diakona | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | (fivavahana protestanta.) Olona, lehilahy sy vehivavy, manam-py ny Mpitandrina amin' ny fitondrana sy fikarakarana ny fiangonana ka ireto avy ny lehibebe amin' ny andraikitra sahaniny: mikarakara ny fanaovana ny sakramenta sy ny fanaka momba azy; tompon' andraikitra amin' ny fandaminana sy fanginana ao an-trano fiangonana; mamangy ny marary sy ny mahantra; mikarakara ny ankizy sy ny tanora [1.1] | |
Fanazavàna teny anglisy | A deacon [1.2] | |
A deacon [1.7] | ||
Fanazavàna teny frantsay | Diacre [1.8] | |
Ohatra | Diakona tao amin' ny FJKM Tranovato Ambatonakanga izy hatramin' ny 1966 ary Loholona tato aoriana.
[2.508] | |
Voambolana | Fivavahana, finoana | |
Ny fihaviany | Anglisy: deacon. | |
Mpanahaka | diakra | |
Lahatsoratra | Randzavola: diakona ao amin' ny Baiboly | |
Fivaditsoratra | andikao, diakona |
Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30 |