Teny iditra vato
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Zavatra mafy sady mavesatra hita ao anaty tany, izay lazain' ny mpahalala fa avy amin' ny fanjarian' ny afo, tany am-boalohany, ho vongana: Tany be vato i Madagasikara afovoan-tany
Potik' io voalaza eo ambony: Vary be vato
Ireo toko alahatra amin' ny fanaovana kilalao sasany, toy ny fanorona, katra, dama: Vatom-panorona
Ireo vy na varahina fandanjana efa misy rahateo ny mariky ny lanja: vato-mizana
Isa azo amin' ny fifidianana: Nitovy ny vato azon-dRakoto sy Rabe tamin' ny fifidianana farany
Fanazavàna teny anglisy A stone, a rock, a vote [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Pierre [1.8, 1.13]
 Roche, caillou [1.13]
Ohatra 
1Nisaina ny vato azon' ny mpilatsaka. [2.356]
2Misy vato milahadahatra manodidina azy ireo. [2.643]
3Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; [2.996]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : vato, vatoko, vatonao, vatony, vatontsika, vatonay, vatonareo, vaton', vaton-, vatom-
Tovonana : -bato, -batoko, -batonao, -batony, -batontsika, -batonay, -batonareo, -baton', -baton-, -batom-
Sampanteny 
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Zanakanarana albasitra, diamondra, falia, jabilao, karanana, karangana, marbra, sokay, solaitra
Anaram-poko 
Anaran' olona 
Anaran-toerana 
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra vato
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Vato miforona any anatin' ny voa na ny fantsom-boa [1.13]
Fanazavàna teny frantsay Gravelle [1.3]
 Calcul [1.54]
 Calcul rénal [1.13]
Voambolana 
Sampanteny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/10