Teny iditra ialahy
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Ifanaovan' ny samy lehiahy tokana mitovy saranga: Taiza ialahy no tsy hitako and roany? (raha maro dia ampiana ny teny hoe isany: Ho aiza ialahy isany rahariva?)
Fampiasa raha tezitra: Avereno hoe ny tenin' ialahy teo!
Fampiasa ho fanambaniana na ho fanevatevana mihitsy roba olona tsy ao anatin' ny fianakaviana na efa misy fifankazarana: Inona izay ialahy no mba hifaninana amiko
Fampiasa koa anefa indraindray ho fanajana raha olona ambony no miteny amina lehilahy nahavita zavatra. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Thou, you. Used only in familiar discourse by men, but never by an inferior to a superior except on special occasions of giving confidence. [1.2]
 You (singular) used familiarly between men [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Tu, toi. Ce mot usité entre les hommes seulement, indique la familiarité et parfois du mépris, et ne s'emploie que d'égal à égal ou de supérieur à inférieur. Il s'emploie quelquefois solennellement à l'égard du souverain, ou d'un grand personnage. -- Les femmes agées peuvent aussi l'employer en s'adressant aux garçons. [1.3]
 Tu, toi (tutoiement entre hommes seuleme [...] [tohiny 1.5]
 Tu, toi (singulier) s'emploie entre hommes [1.8]
Fanazavàna teny italianina Tu [1.18]
Ohatra 
1Lehilahy ialahy otronin'ireny! [2.298]
2Oviana ialahy no nivoaka tary? [2.4]
3Tena kamarady ialahy, hoy izy. [2.643]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Mpanahaka  ianao ~ ise
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/11