Teny iditra ataotaovy (tao)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana ataotao [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]
Ohatra Ataotaovy aho ray olona, fa mavesatra ny anjarako [1.239]
Zanakanarana Ataotaovy (Dox)

Teny iditra Ataotaovy
Singan-teny ataotaovy
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Lahatsoratra 
Ataotaovy aho ray olona, fa mavesatra ny anjarako,
He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.

Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !

Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !

Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !

Fanonta printy 
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/14